ππ’π¬ππ«π’π€ππ§’π’ π
ππ§π¨ππ«π’π―π¨ πππ¬π’π§ππ§ππ§π, π
ππ«π’ππ«π ππ§ππ₯ππ§π£π’π«π¨ππ¨
π
π’π³ππ«ππ§π π³ππ§π-ππ«π¨π§ππ«π¨
Mitohy hatrany ny ezaka sy fampandrosoana ho an’ny sehatra fiompiana trondro ato anatinΒ Β»ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo ka notolorana zana-trondro ireo mpiompy trondro nahazo fiofanana ara-teknika ka ny faha 7 Jona 2025 teo no nanolorana ny zana-trondro tilapia miisa 10 000 teto amin’ny Fokontany Ambodihasina, Kaominina Ambanivohitra Ambatoharanana, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ireo mpiompy trondro izay nahazo fiofanana ara-teknika
Tonga nanatrika izany ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toe-karena Manga Analanjirofo sy Mpandrindram-paritra ny tsy Fifanjarian-tsakafo Analanjirofo ary ny Ben’ny Tanana Lefitry ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoahanana.Tao anatin’ny tetik’asa HAFA VELONTEGNA izay vatsian’i UNICEF vola no nazahoana nanantontosa izany.
Ankoatra ny fanomezana zana-trondro, dia nisy ihany koa ny fanolorana fahazoan-dΓ lana hiompiana trondro ho anβny mpiompy miisa 10 izay nahafeno ny fepetra sy nahavita ny fiofanana ilaina. Ireo fahazoan-dΓ lana ireo dia manan-danja mba hanamafisana ny asanβny mpiompy sy hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny fiompiana trondro ao aminβny faritra.