Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

π’πšπ«π¨π›πšπ«πšπ­π«πš 𝐈𝐟𝐚𝐧𝐣𝐚, πƒπ’π¬π­π«π’π€πšπ§β€™π’ 𝐌𝐒𝐚𝐫𝐒𝐧𝐚𝐫𝐒𝐯𝐨,π…πšπ«π’π­π«πš 𝐈𝐭𝐚𝐬𝐲
π…πšπ¦π©π’π«π¨π›π¨π«π¨π›π¨πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐀𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐲 𝐫𝐚𝐧𝐨

Tontosa ny faha 31 Mey 2025 teo tao amin’ny lapan’ny tanΓ nan’i Sarobaratra Ifanja, ao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy, ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro, notanterahan’ny ekipa avy amin’ny Fitaleavana misahana ny famokarana ny anaty rano (DA) sy ny Fitaleavanam-Paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Itasy.
Ity fampiofanana ity dia natao hanohanana sy hampiroborobo ny fambolena sy fiompiana trondro an-tanimbary ho fampandrosoana ny toekarena eo an-toerana.
Miisa 25 ireo mpiofana, izay tena liana sy vonona tanteraka hirotsaka amin’ny fiompiana trondro an-tanimbary ary naneho ny fahavononany hampihatra ny fahalalana azo mandritra ny fiofanana. Ny tanjona dia ny hampiasa ny rano azo fehezina mandavan-taona, izay mety indrindra ho an’ny fiompiana trondro, mba hiantohana ny vokatra tsy tapaka sy ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha.
Namporisika ny mpiofana ny tompon’andraikitra mba hampiasa ny fahalalana azo sy hizara izany amin’ny mpiara-monina aminy mba hiroborobo bebe kokoa ity sehatra ity.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru