Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Jardin de la Mer, Kaominina Ambonivohitra Toliara, Faritra Atsimo-Andrefana.
Atrik’asam-paritra fanentanana momba ny FiTI na “Fisheries Transparency Initiative”.

💢 Notanterahina tao amin’ny Jardin de la Mer, Kaominina Ambonivohitra Toliara ny faha 20 Desambra 2024 teo ny Atrik’asam-paritra fanentanana momba ny FiTI na ny « Fisheries Transparency Initiative ».
🔸 Nandritra izany no nitondrana fampahafantarana amin’ny ankapobeny momba ny FiTI (Fisheries Transparency Initiative), ny fiaraha-miasa maneran-tany izay mikatsaka ny fametrahana ny fangaraharahana sy ny fandraisana anjara amin’ny haitondra ara-pitantanana ho an’ ny jono an-dranomasina.
🔸 Anisan’ny hetsika mangarahara amin’ izany ny fanatsarana ireo tamberin’andraikitra ho an’ny daholobe, ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fanapahana ary ny fanatsarana ny fanaraha-maso sy ny fandraisana andraikitra.
🔸 Teo ihany koa ny fahampafantarana ny GMN (Groupe Multipartite National) na ny Vondrona Marolafy Nasionaly, ny antompisiany sy ireo anjara asany eo anivon’ny Governemanta, ny andraikitra manandrify ny avy ao amin’ireo Firaisa-monim-pirenena ary ny avy ao amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatrarana miaraka izany tanjona ho amin’ny fangaraharana eo amin’ny sehatry ny jono izany .
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru