Tanterahana ao Mahajanga manomboka androany 23 Oktobra 2023 ny fiofanana andiany faharoa mahakasika ny fiompiana trondro Tilapia sy Karpa.

Ny tanjona dia ny fanofanana sy fanamafisana ny traikefan’ireo teknisiana eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga mba hafahan’izy ireo mampiofana ireo tantsaha eny ifotony izay liana amin’io seha-pihariana io.

Miisa 30 ny mpandray anjara ahitana ireo teknisiana avy ao amin’ny DA (Direction de l’aquaculture) sy ireo teknisiana avy amin’ny faritra maro (Boeny, Analamanga, Atsinanana, Matsiatra ambony, Itasy, Androy, Vakinakaratra ary Amoron’i Mania).

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *