Ireo harato efa tsy ampiasain’ny Mpanjono na tavela anaty ranomasina miampy ireo plastika izay angonin’ireo « gardes côtes » costa rikana dia ahodina hanamboarana fitaovana maro toy ny seza, latabatra, trano, estrade, tafo, dabilio sy ny maro samihafa eto amin’ity toerana ity. Ny orinasa « IPS Recycle » no manao izany ary manodina plastika 90 ka hatramin’ny 300 taonina isan-taona izy ireo.
Efa 25 taona lasa no niditra nanao izao asa izao ry zareo costa rikana ho fiarovana ny tontolo an-dranomasina. Marihana fa i Costa Rica no isan’ny Firenena modely maneran-tany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Miara-monina tsara ny olombelona miisa 5 tapitrisa eo ho eo sy ny Natiora izay tena arovany fatratra. Ny Mpanjono dia tena sarotiny amin’ny fikajiana ny tontolo an-dranomasina.
Nitsidika ity toerana ity ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Paubert, sy ny Mpandrindra ny Tetikasa « Global Ghost Gear Initiative » ary ny « Glolitter » ka nisy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny Firenena iasan’ny tetikasa « Glolitter » ny eto amintsika.