Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny « Centre National de Recherches Océanographiques » Nosy Be na ny CNRO
amin’ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga dia nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta androany 12 Jona 2024 tao Ampandrianomby.
    Zava-dehibe tokoa izao fifanaraham-piaraha-miasa izao satria ahafahana manamora ny fampandrosoana ny sehatry Toekarena Manga eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiasana ireo vokam-pikarohana ataon’ity ivontoerana ity indrindra eo amin’ny tontolon’ny ranomasina.
    Nisolo-tena an’ny Ministera tamin’izao fifanaovan-tsonia izao moa Atoa RAZAFIMANDIMBY J. Joseph Chrysostophe Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny atirano ary ny avy amin’ny CNRO kosa Dr Aly Bachiry. Marihina moa fifanaraham-piara-miasa faha 33 nataon’ny Ministera moa ity vita sonia androany ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *