Ny Orinasa PFOI na « Peche et Froid de l’Ocean Indien » dia Orinasa Malagasy manodina sy manondrana vokatra an-dranomasina toy ny Lamatra izay mampiasa olona hatramin’ny 1.500 eto Antsiranana (Diego). Ankehitriny dia te hanitatra izay fiaraha-miasa izany izy ireo ka nangataka ny hampidirana Sambo Mpanjono miisa roa, mitondra saina Malagasy ka hanjono Lamatra ato amin’ny fari-dranomasintsika mba tsy hampisy olana ny « approvisionnement » amin’ny vokatra fototra. Hampiditra vola manodidina ny Ar5 lavitrisa isan-taona ity fifanarahana ity.

Mba hisian’ny mangarahara, taorian’ny fankatoavan’ny filan-kevitry ny Minisitra, dia notanterahina teo imason’ny daholobe ny fifanaovan-tsonia ity fifanarahana ity teo amin’ny Orinasa PFOI izay miara-miasa amin’ny CFTO na ny « Compagnie Française des Thons Océaniques » sy ny Minisiteran’ny Jono sy Toekarena Manga eto Antsiranana. Haharitra roa taona azo havaozina ity fifanarahana ity izay mahakasika ny fampiasana sambo Mpanjono Lamatra roa ka manodidina ny 7.000 ka hatramin’ny 10.000 taonina eo ho eo no ho jonoin’izy ireo. Hampiasa Tantsambo sy tanora maro ary indrindra ny fikojakojana ny sambo na ny « carénage » ao amin’ny Orinasa SECREN isan-taona. Hisy ihany koa ny fametrahana ilay Sekolin’ny Jono na ilay « école des pêches » izay hapetraka eto Antsiranana sy fanomezana vatsim-pianarana mankany ivelany hoan’ny mpianatra miisa folo isan-taona avy amin’ny Oniversiten’ny Antsiranana izay manaraka ny lalam-piofanana Jono sy Toekarena Manga.

Niatrika sy nanome voninahitra izao lanonana izao Atoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta sy ireo Manam-pahefana maro indrindra ny vahoaka sy ireo Mpanjono mba hisian’ny mangarahara kokoa ary ho fanatanterahana ny voalaza amin’ny fifanarahana amin’ny FiTI na ny Fishery Transparency International.

#MPEB #PFOI #CFTO #Lamatra #Thons #Jono #Fifanarahana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *