▶️ Mba hiadiana amin’ny kere, ny tsy fananan’asa ary ny fahantrana amin’ny ankapobeny dia apetraka eto Faux Cap ilay sekolin’ny Jono voalohany eto Madagasikara.
👉 Raha ny zava-misy dia na misy na tsy misy ny orana dia misy trondro hatrany ny ao anaty ranomasina. Fotoana izao ny hitodihan’ireo olona aty Atsimo bebe kokoa amin’ny ranomasina. Ity toerana ity dia hampiofana ny olona rehetra aty Atsimo momban’ny Jono, ny fanodinana vokatra ary ny fikojakojana fitaovam-panjonoana maro. Iantohana ny saran-dàlana sy ny sakafon’ireo olona ireo izay tanora ny ankamaroany. Na tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza ilay olona dia raisina ato avokoa. Roa herinandro eo ho eo ny faharetan’ny fiofanana izay arahana fampiharana avy hatrany ao anaty ranomasina satria miala 200m ny morontsiraka ity toerana ity.
👉 Tonga nametraka ny vato fototry ny « École des Pêches » voalohany eto Madagasikara, aorina eto Faux Cap ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert T. MAHATANTE, notronin’ireo Manampahefana aty amin’ny Faritra Androy. Kasaina ny volana Martsa any ho any no ho vita ny asa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *