Ny Faritra Androy dia manana sisin-dranomasina 200km sy harena maro samihafa toy ny lamatra, orantsimba (langouste) sy trondro isan-karazany. Raha ny zava-misy nefa dia ahitana olan’ny tsy fanjarian-tsakafo matetika iny Faritra iny satria vitsy ireo olona manao ny asa fanjonoana.
👉 Tanjon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny hampiroborobo ity sehatra ity any Atsimo ka izany no antony anaovana ireo ezaka maro toy ny fametrahana ilay sekolin’ny Jono sy ireo « complexes des pêches », « Unités de froid » ary ireo fitaovam-panjonoana maro samihafa.
👉 Tonga nanolotra ilay « complexe des pêches », lakana vita amin’ny « fibre de verre » ahitana milina manana tanjaka 9,9CV sy fitaovana toy « masques, palmes, tubas » ary famantaranandro tsy matahotra rano aty Lavanono ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’ireo Manam-pahefana aty ifotony tarihan’Atoa Governora.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *