Resy lahatra fa hiompy trondro ny mpiara-miasa ao amin’ny Sampam-pitsikilovana eto Madagasikara na ny CIS. Dobo mirefy 125m2 no hanombohana azy izay hitarina amin’ny taona ho avy. Nanambara Atoa Tale Jeneraly RAFANOMEZANTSOA Roger fa vonona izy sy ireo mpiara-miasa amin’ny tena handray anjara amin’ny fanaparitahana ny fiompiana trondro eto amintsika ka Zanatrondro miisa 1.000 no narotsaka. Kasaina hanodidina ny 400kg ny vokatra voalohany. Aorian’ny fanitarana dia hahatratra 64.000m2 ny velaran’ny dobo ao amin’ny CIS Ambohibao.
👉 Tonga nanatanteraka izany fandrotsahana zanatrondro izany ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, sy ireo mpiara-miasa aminy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *