Notanterahana androany faha 03 Janoary 2025 tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny fivoriana savaranonando niarahan’ny Ministera tamin’ireo solontenan’ny firaisamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina mialohan’ny hiatrehana ny fivorianan’ny vaomiera iombonana (Commission mixte) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) eto Antananarivo amin’ny herinandro ambony manaraka eo mahakasika ny fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra (Appui sectoriel) araka ny fifanarahana ara-jono (Accord de pêche) hiarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina.
Marihana fa andiany faharoa amin’ny fifanarahana ny amin’ity taona ity izay mitentina 1 100 000€ ka araka ny tapaka dia sehatra miisa dimy no tena hiompanan’ny fandaniana amin’ity taona ity izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana sy ny Ministera dia ny sehatry ny :
-
- Jono (Pêche),
- Fampiroboroboana anaty rano (Aquaculture),
- Fahadiovana (Sanitaire),
- Fanaraha-maso ny jono (Surveillance des pêches),
- Fitantanana (Gouvernance).
Izao no natao dia mba hisian’ny fangaraharana amin’ny fitantanana sy ny fiasan’ny Ministera manoloana ny fiarahamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina.
Amin’ny ankapobeny tsy ampy lavitra io vola io ary mbola maro ny ezaka tratrarin’ny Ministera fa na izany aza dia ezahana ampifan-danjana ny fandaniana mba hipaka tsara amin’ny vahoaka.