Ao anatin’izao fiovaovan’ny toetrandro sy manoloana ny vanim-potoanan’ny rivodoza ary ireo tranga faharendrehana an-dranomasina tato ho ato dia naka fotoana Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, nanazava sy nanentana mba ho fanamafisana ny antony sy ny tanjona nametrahana ny SAP amin’ny alalan’ireo « Panneaux agro-météorologiques » napetraka eny amin’ny Tanànan’ny mpanjono ireny.
Voalohany amin’izany ny fanambarana :
ARO LOZA : Famerenana ny fomba famakiana (lecture) azy ireny mba hafahana manapa-kevitra alohan’ny hiandriake ka hisorohana ny loza azo antoka fa hitranga.
Faharoa manaraka izany ny :
FITANTANAM-BOLA : Ny fahalalana ny mety ho toetry ny andro dia mampiomana sy manampy amin’ny fikajiana ny vola ao an-tokatrano.