Tanterahina eto Madagasikara mandritra ny 03 andro ao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny  » Réunion Consultative des Parties Prenantes Nationales pour élaborer une feuille de Route visant à renforcer la mise en œuvre et la gouvernance des Zones de Protection Marine (ZMP)en République Madagascar » izay iarahana amin’ny Vondrona Afrikanina amin’ny alalan’ny UA-BIRA.
Fivoriana afahantsika mifampizara traikefa maro izay ananantsika amin’ny fitantanana ireo Faritra Arovana. Andrasana aorinan’izao arak’izany ny tondro-zotra hanatsarana ny fametrahana sy fitantanana ireo Faritra arovana an-dranomasina hampiroborobo ny Toekarena Manga sy ny fidirambolan’ireo vondron’olona ifotony. Ny fananana izany tondro-zotra izany dia hitondra avo dia avo ny « visibilité » an’i Madagasikara ary indrindra hampitombo ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika.
Nosokafan’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert tamin’ny fomba ofisialy moa izany fivoriana izany ny 19 Febroary 2025. Nanamafy moa ny tenany fa « Tsy misy ny Toekarena Manga maharitra raha tsy misy ny fikajiana ny tontolo iainana sy ireo harena voajanahary ananantsika ».Marihina fa izao no fivoriana faha dimy nokarakarain’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny alalan’ny UA-BIRA teto Madagasikara ho fampandrosoana ny Jono sy ny Toekarena Manga.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *