Taorian’ny Faritra Amoron’i Mania dia nitohy tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony indray ny fitsidihana nataon’ny Sampandraharaha ho amin’ny Fangaraharana sy ny ady amin’ny kolikoly (STAC) avy eo anivon’ny Ministeran’ ny Jono sy ny Toekarena manga androany faha 26 Febroary 2025.
Anisan’ny voaresaka sy nampatsiahivina tamin’izany ireo toetra sy fomba fitondra-tena tokony hananan’ny mpiasa eto anivon’ny Ministera, eo ihany koa ny drafitrasa tokony ho tanterahina hiadiana amin’ny kolikoly ho an’ny DRPEB Matsiatra Ambony ary ny fandinihana ireo tohan-kevitra rehetra ilaina hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly.
Izao no tontosa dia noho ny tantsoroka avy amin’ny Tetikasa PPSPAS izay hiarahana amin’ny Vondrona Eropeanina.
#MPEB # STAC# DRPEB_Matsiatra_Ambony #PPSPAS

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *