Nidina ifotony nijery ilay dobo fanangonan-dranon’orana natao hamatsiana rano ireo tanimbary fiompiana trondro sy ireo dobon-trondro ao an-toerana mandritra ny main-tany, ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe.
Nisy ihany koa fakana zanatrondro karpa miisa 2000 tao Ivandrika izay naterina tany Anteva, Fokontany Ambinanintelo, Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy ka narotsaka tao amin’ny dobon-trondro miendrika ranovory izay iompiana trondro isan-taona ka eritreretina ho vokatra any amin’ny volana Novembre any.
Marihina fa mamokatra trondro manodidina ny 700kg eo ity dobo miendrika ranovory ity isan-taona ary efa fanitelony izao natao androany izao.
#MPEB #DRPEB_Ihorombe #Fampamokarana_ny_Atirano

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *