Tanora miisa 45 mpikambana ao amin’ny « observatoire des jeunes » no nisitraka fahalalana tamin’i Dr Ifesinachi Okafor-Yarwood, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i St Andrews any Ecosse omaly 1 martsa teto Ampandrianomby. Manam-pahaizana momba ny toekarena manga sy ny fiarovana an-dranomasina ity mpikaroka Nizerianina ity.
◻️Nanasongadiny nandritra izany ireo andry telo fototra amin’ny toekarena manga : ny toekarena, ny tontolo iainana, ary ny fiarahamonina. Nohamafisiny fa mila fahaiza-manao sy fanabeazana ny tanora mba hahafahana mamorona sy manavao amin’ity sehatra ity.
Notsindriany koa ny lanjan’ny teknolojia amin’ny fampandrosoana. Anisan’izany ny fampiasana drôna, ny « intelligence artificielle » ary ny teknolojia nomerika. Hita fa manana anjara toerana lehibe amin’ny toekarena manga eto Madagasikara ny jono, satria loharanom-bola sy sakafo ho an’ny mponina izy.
Na izany aza dia maro amin’ireo tanora malagasy no tsy an’asa. Manoloana izany dia nanolotra vahaolana izy. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy iraisam-pirenena.
« Mila miara-miasa isika, mizara hevitra, ary mampiasa izay eo am-pelatanantsika mba hamahana ny olana » hoy hatrany izy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *