Distrika Efatra ato anatin’ny Faritra Boeny no nisitraka fampitaovana maro avy amin’ny Ministeran’ny ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny tamberimbidy amin’ny fifanarahana ara-panjonoana miaraka amin’ny Vondrona Eropeanina Anio 7 Febroary 2025. Anisan’izany ny Distrikan’ny Soalala, Mitsinjo, Mahajanga I, II.
Fitaovana ahitana lakana en fibre de verre miisa 5 izay miaro tanteraka ny tontolo iainana miaraka amin’ny Moteur 9cheveau miisa 5 izay anisan’ireo hanaovana ny resaka Jono Madinika , kits de palangre 20 , multi filament 20…
Fitaovana manaraka ny fenitra tanteraka no nomena azy ireo entina hanatsarana ny asa fihariany eny an-dranomasina , hiadiana ihany koa amin’ny Tsy fanjarian-tsakafo satria manampy amin’ny fahafahana maka sy manampy ireo ny vokatra alaina an-davanandro.
Nanamafy ny eo anivon’ny Vondrona Eropeanina fa Mbola Vonona hatrany izy ireo amin’ireo fiaraha miasa miaraka amin’ny Ministera amin’ny alalan’ny fanohanana ireo mpanjono
Nanatrika ny fanolorana izany teny an-toerana Ny solotenan’ny Vondrona Eropeanina miisa 2 , ny sekretera Jeneralin’ny MPEB A/toa Tilahy Desire , ireo solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana sy Distrikan »ny Soalala, Marovoay sns, ireo tale sy mpisehatra amin’ny Jono maro hafa.