Ny 𝑷𝒂𝒏𝒈𝒂𝒔𝒊𝒖𝒔 na gogo na 𝒑𝒐𝒊𝒔𝒔𝒐𝒏 𝒄𝒉𝒂𝒕 na 𝗰𝗮𝘁𝗳𝗶𝘀𝗵 dia ananantsika eto Madagasikara fa anaty ranomasina. Marihana anefa fa maherin’ny 4.100 ny isan’ireo karazany manerantany (ranomamy sy ranomasina).
Efa an-taonany maro no niompy gogo anaty ranomamy rizareo avy ao Vietnam, Indonésie, Chine, Bangladesh, Etazonia ary aty Afrika ary manodidina ny 2,3 tapitrisa taonina isan-taona eo ny vokatra manerantany.
Ho antsika eto Madagasikara manokana dia ny taona 1950 no nampidirana ny Tilapia (nilotica) ary ny taona 1959 ny karpa raha ahiana ho ny taona 2003 eo no tafiditra teto ny fozaorana (écrevisse).
Marihana anefa fa tsy maintsy atao anaty fanarahan-dalana ny fiompiana atao izay tsy maintsy ahazoana fahazoan-dalàna rehefa vita ny fanadihadiana ara-tontolo iainana (étude d’impact environnementale) momba ny fampidirana ilay karazan-trondro (décret MECIE, art.05 sy art. 160 ao amin’ny Code de la pêche et de l’aquaculture loi 2015-053).
Mbola tsy nampiditra gogo an-dranomamy na poisson chat na catfish eto Madagasikara kosa ny Minisitera izay zavatra azo atao tsara fa ao anatin’ny fanarahan-dalàna.
(Sary indrana)