Kojakoja ao an-tokatrano , sakafo ,akanjo mafana ,sns no natolotra ho an’ireo traboina izay mitoby eny amin’ny Sacré Cœur Ambovombe amin’izao andiany Voalohany izao. alohan’ny hodian’izy ireo amin’ny tokatranony tsirairay avy.
Herinandro mahery Teo no nitazomana azy ireo Teto ho fitsinjovana ny ain’izy ireo nandritra ny Fandalovan’ny rivodoza farany Teo.
Teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no Sady mpiahy ny Faritra Androy nisolotena ny fitondram-panjakana izay tarihin’A toa Filoham-pirenena Andry Rajoelina notron’ireo sampan -draharaham-panjakana eny ifotony . Santatra ambavarano ity hoy ny Minisitra fa Mbola ho avy ny fanampiana hafa ,anisan’izany ny Vary ho zaraina amin’izy ireo sy amin’ny toerana hafa.
Hisaorana ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka rehetra Mifanome tanana tamin’ny fikarakarana ireo traboina nandritra izay dimy Andro izay.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *