Nanantateraka fidinana ifotony ho fitsirihana ireo asa fampandrosoana ny seham-pihariana Jono ny Teto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay notarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ny mpandrindra nasionalin’ny Tetikasa MIONJO sy ny delegasionina miaraka aminy Ary ny solontena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena izay mamatsy vola ny Tetikasa.
Ho fampiroboroana ny Jono ao an-toerana dia nisy ny fisitrahan’ireo mpanjono ny🚜 Tracteur 4×4 (BELARUS) misy « remorque isotherme » lehibe entina eny amin’ny sisin- dranomasina ao an-toerana ahafahana mampiditra ireo vokatra izay manaraka ny fenitra tsara amin’ny fitehirizana ireo vokatra mandritra ny fitanterana azy, izy ity izay manamora ihany koa ny fakana ny vokatra manomboka eny amin’ny fakana azy mandram- pahatonga any amin’ny toeram-pivarotana izany.
Mahatsiaro afa-pahasahiranana izy ireo Raha Nolanjaina sy nandehanana tongotra izany Teo aloha .
Efa eny an-toerana ihany koa ny Fanampiana ireo fikambanan’ny mpanjono miisa 12 izay nisitraka « fumoir » miisa 11 ,Marihina fa Efa miasa avokoa ireo fitaovana ireo ankehitriny.
Ankoatr’izay Dia Efa Nisy ihany koa ireo fampitaovana maro entina hampiasa’izy ireo amin’ny fiainana an-davanandro eny an-dranomasina
Nandritra ny fitsidihana dia ho Nisy ny fijerena ny toerana izay hametrahana ny « chambre froide » ho azy ireo izay ahafahana mitahiry ireo vokatra rehetra tsy ho simba
Ho fisorohana ny loza an-dranomasina hatrany dia nohamafisin’A/toa Minisitra ny fampahafantarana misimisy kokoa ny mahakasika « Système D’alerte Précoce » izay fiaraha miasa amin’ny orinasa MITAO FORECAST.
Mitohy arak’izany ny fanohanana ireo mpanjono izay tohanan’ny Tetikasa entina hanovàna ny farim-piainan’izy ireo ho amin’ny tsratsara Kokoa

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *