Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe ny faha 19 Marsa 2025, tao Akoradava, Fokontany Andriandampy, Kaominina Ambanivohitra Andriandampy, Distrikan’i Betroka, Faritra Anôsy.
Nijery akaiky ny fahavitan’ny dobon-trondro namboarin’ny tantsaha iray tapa-kevitra hisehatra amin’ny fiompiana trondro taorian’ny fiofanana izay nampanaovin’ny #DRPEB_Ihorombe tao Andriandampy tamin’ny faha 16 Novambra 2024 lasa teo. Nomena toromarika mikasika ny fiompiana trondro an-tanimbary na « rizipisciculture » sy ny fitantanana ny rano ary ny sakafon-trondro ity mpiompy ity.
Nisy ihany koa fandrotsahana zanatrondro tilapia miisa 1200 izay narotsaka tao amin’ny dobo mirefy 312m2 (39m x 8m), vokatry ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny #DRPEB sy ny #MPEB ary ny mpiompy trondro ao amin’ny Faritra Ihorombe.
#Fampamokarana_ny_Atirano

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *