Nandritra ny telo andro no nanatanterahana ny Fikaonan-dohan’ireo Komity mpandrindra ny fivorian’ny Filankevitry ny Minisitra iraisan’ireo Firenena eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana izay nifantoka tamin’ny famolavolana ireo paikady iraisan’ireo Firenena eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana amin’ny hampajariana ny fiahiana ara-tsakafo.
Izany fikaonan-doha izany ihany koa dia nahafan’ireo Ministra miandraikitra ny sehatry ny Fambolena , ny fiompiana , ny Jono ary ny fanjariana ara-tsakafo niresaka sy nifanakalo hevitra amin’ny hametrahana ny fanamby sy ny paikady hahafahana manatratra ny tanjona amin’ny fahavitantena ara-tsakafo.
Androany 21 Martsa 2025 no namaranana izany tamin’ny alalan’ny fivorian’ireo Minisitra eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, anisan’ny nanotrona izany moa Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert. Nanohana tamin’ny fanatanterahana izao fihaonana izao ny avy amin’ny FAO, Vondrona Eropeanina ary ny AFD.