Notanterahina ny 11 ka hatramin’ny 22 Marsa 2025 lasa teo ny fanadihadiana sy fakàna antontanisa momba ny jono lamatra na  » thon » amin’ny alalan’ny jono madinika ato amin’ny faritra Anôsy izay tanterahin’ny ekipa avy amin’ny #DESP na « Direction des Études, de la Statistique et de la Planification » avy amin’ny Minisitera foibe sy ny #DRPEB_Anôsy.
Ankoatra izay, dia nisy ihany koa ny fametrahana sampana hanao ny asa fanadihadiana mandritra ny taona mahakasika ireo karazana hazandrano ireo ao amin’ny Faritra Anôsy ka tanàna miisa roa no hametrahana azy dia i Analapatsy sy i Ste Luce izay samy ao anatin’ny Distrikan’ny Taolagnaro.
Nomena fiofanana manokana sy nozaraina fitaovana hoentina miasa ireto ekipa ireto toy ny « tablette », « imperméable », « botte de pluie », sy « bloc note », sns.
Tontosa izao, dia noho ny finiavan’ny fitondram-panjakàna tamin’ny alalan’ny Ministera ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB, hanaraka ny fepetra izay lany teo anivon’ny vondrona #CTOI.
Marihina fa i Madagasikara dia mpikambana feno ao anatin’ity vondrona ity. Tanjona, ny hametrahana fitantanana maharitra sy mirindra ny lamàtra ato anatin’ny fari-dranomasin’ny Madagasikara sy ny Ranomasimbe Indianina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *