Noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tao amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby androany 24 Martsa 2025 Son excellence Atoa JI Ping, Masoivohon’ny Repoblika Entimbahoakan’i Sina. Nifampiresahan’ny roa tonta nandritra ny fihaonana ny hanatsara hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Sina amin’ny lafiny Toekarena Manga sy ny fanamafisana hatrany ireo fiaraha-miasa hatramin’izay. Hisy ihany koa ny fijerena akaiky ny mahakasika ny lafiny fikarohana, ny fanondranana entana sy fanafarana entana mahakasika ny Toekarena Manga.
Amin’ny volana May ho avy izao dia handalo eto Madagasikara ireo avy amin’ny « douanes Chinoises » na ny GACC dia efa miomana sahady manoloana izany isika eto Madagasikara. Fehiny izany dia anisany nahazoanatsika vaovao tsara ny amin’ny hanatsarana ny fiaraha-miasa miaraka ny fandalovan’Atoa Masoivoho eto izao afahantsika manatsara ny sehatry ny Toekarena Manga.