Manatontosa ny atrikasam-pirenena fakan-kevitra mahakasika ny fitantanana ny jono lamatra eto Madagasikara ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Natomboka androany faha 26 ka hifarana ny faha 28 martsa hoavy izao izany, izay ahitana mpandray anjara marolafy toy ny avy amin’ny fiarahamonimpirenena, ny mpandraharaha, ny mpanjono madinika, ny fikarohana, ny mpiaramombon’antoka ary ny mpitantandraharaham-panjakana foibe sy ny avy amin’ny faritra.Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy andriamatoa TILAHY Désire Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Tanjona mandritra ity ny fijerena ny fanampahan-kevitra raisina mandritry ny fivoriambe faha 29 ny vaomiera mitantana ny jono lamatra eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana (CTOI) izay hatao any la Réunion Frantsa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *