Manamafy hatrany ny ezaka amin’ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara, ary tsy voafehin_dalàna ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Tafiditra anatin’izany fampitomboana ireo sambo ampiasain’ny CSP hanara-maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Teo aloha dia sambo roa ihany no nampiasain’i Madagasikara iady amin’izany Jono INN izany, Ankehitriny dia efa tafakatra 23 izany ary mbola hiampy 02 ireo.
Anatin’ny fanamafisana ny ady amin’ny Jono INN dia zava-dehibe ny fananana ny Drafitrasa Nasionaly iadiana amin’izany. Notanterahina teny Ampandrianomby Antananarivo ny 07 Avrily 2025 arak’izany ny fanolorana ny Drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara, ary tsy voafehin-dalàna eto Madagasikara 2025-2029.
Mandrafitra ity Drafitrasa Nasionaly ity ireo zavatra mila hatsaraina rehetra iadiana amin’ny Jono INN, ny firesahana ny ho avin’i Madagasikara manoloana ity fitaovana ampiasaintsika ity amin’izao, ny fampisehoana amin’izao tontolo izao fa i Madagasikara dia vonona hatrany ny hiatrika ireo fanamby hatrehantsika indrindra aty amin’ny Faritra misy antsika indrindra miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Nitarika ny fotoana Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert miaraka amin’Atoa Alexander Kefi Solontenan’ny SADC, ary ny Solontenan’ny WWF eto Madagasikara. Marihina moa fa
nanampy an’ny Ministera namolavola izao ny WWF.