Tontosa ny faha 08 Aprily 2025 tao amin’ny GASS’KALY, Sanfily – Toliara ny atrikasa fanokafana sy fampahafantarana ny amin’ny fanandramana DRAOTSY nohavaozina na « chaluts moustiquaires sélectifs » ho an’ny jono madinika ao amin’ny helodranon’i Ranobe.
Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahina ny tetik’asa FISH-MADA izay tarihin’ny fikambanana YSO MADAGASCAR. Manoloana ireo olana maro izay hateraky ny fampiasana fitaovana tsy manara-penitra amin’ny fanjonoana sy ny fiantraikan’izany amin’ny tontolo an-dranomasina dia mitondra vahaolana ara-tsiansa izay niarahana namolavola avy eny ifotony ny tetik’asa FISH-MADA – na ny « Fishing Innovation for Sustainable Harvesting » in Madagascar mba hahafahana miady amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna na ny “pêche INN”.
Anisan’ny tanjon’ny tetik’asa ny hampihenana ny fiantraikan’ny fitaovam-panjonoana tsy manara-dalàna amin’ny harena an-dranomasina, indrindra amin’ny fahazoana atodim-pia sy zana-pia ary ny fahasimban’ny toeram-ponenana (écosystèmes) anaty rano, amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana voafantina izay manaja kokoa ny tontolo iainana sy manara-dalàna.
Mikendry ihany koa ny tetik’asa ny hanome fitaovana vaovao hanoloana ireo draotsy vita amin’ny “moustiquaires” mba hampiroborobo ny fandraisana anjaran’ny fiaraha-monina amin’ny fanapahan-kevitra sy fanaraha-maso maharitra eny ifotony.
Ny fomba fanaraha-maso ara-tsiansa sy ara-tsosialy ampiasaina dia hanampy amin’ny fanombanana mazava ny vokatra azo avy amin’ny fanandramana izay natomboka tao Andrevo.
Nandray anjara tamin’izany ireo mpanjono sy ireo mpanao kinanga avy eny ifotony, ny solontenan’ny VOI, FIMIHARA, MIHARI, DRPEB, DREDD, ONG mpiara-miombon’antoka, IH.SM sy ireo solontenam-panjakana eny ifotony.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *