Notanterahina tao Antsirabe tao amin’ny Menabel hôtel ny atrikasa fizarana ireo vokatry ny fanadihadiana mahakasika ny fametrahana ny ivotoerana fandrefesana ho fanarahamaso ny kalitaon’ny rano ao Andraikiba izay isan’ny Farihy mamatsy rano fisotro ny tanànan’Antsirabe.
Koa satria mifanila amin’ity Farihy lehiben’Andraikiba ity ny Farihy Andraikibakely izay toeram-panjonoana nafindra fitantanana GELOSE ho amin’ny VOI FIMPAFA, dia nandray anjara mavitrika nandritra ny atrikasa ny #DRPEB_Vakinankaratra ary nanome ny soso-kevitra rehetra ho tombotsoan’ny mpanjono sy ho fiarovana ihany koa ity rano fisotro ao Andraikiba ity na ara-kalitao izany na eo amin’ny fikajiana ny fatrany.
Hivoaka aorin’izao ny drafitrasa iraisan’ireo hery velona rehetra misehatra eny Andraikiba manatanteraka. Hisy ny « Arrêté interministériel » mifanaraka amin’izany.