J-05, mialoha ny hetsika lehibe #FOJAEB andiany faharoa izay hatao eto Toliara ny 17-19 Aprily 2025 dia niara-nivory tamin’ ireo komitim-paritra sy ny komity nasionaly ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert androany faha 12 Aprily 2025.
Velom-pisaorana sahady ny Minisitra tamin’ireo sokajin’olona maro samihafa nifanome tànana ary nifarimbona amin’ny fikarakarana sy ireo mpiara-miombon’antoka, ireo Ministera isan-tsokajiny ary ireo Tompon’andraikitra maro avy eto anivon’ny Faritra.