Notontosaina ny faha 11 Aprily 2025 tao amin’ny Fokontany Sainte Luce, Kaominina Mahatalaky, Distrika Tolagnaro, ny lanonam-panokafana arapomba ofisialy ny taom-panjonoana oratsimba ho an’ny taona 2025 eto amin’ny Faritra Anôsy izay marihina fa ny voalohan’ny volana Aprily no daty fanombohana.
Ny oratsimba dia anisan’ny harena mampiavaka sy mampalaza ny Faritra Anôsy. Hatreto dia izy no mitàna ny lohalaharana amin’ny sehatry ny jono oratsimba eto Madagasikara ary dia manodidina ny 400 taonina ny vokatra oratsimba aondrana isan-taona mankany ivelany ka mamelona fianakaviana maro.
Nisy ny diabe na « carnaval » izay nentina nanombohana ny fotoana. Nandritra ny lanonana dia nisy ny fanolorana fitaovana maro samihafa ho an’ny mpanjono, izay ahitana salotraina miisa 60, torche miisa 60, radio mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 60, kitapo sy famataranandro fitondra anaty rano, vilanibe sy koveta, siny miisa 10, jiro « lampadaire » miisa 6 ary savony 4 baoritra.
Nisy ihany koa ireo lalao sy fifaninanana mahafinaritra, toy ny fifaninanana oratsimba, oramena, lehibe indrindra izay nahatratra 1,5 kg ka notolorana lelavola 100 000 Ary ny voalohany tamin’izany.
Tonga nanome voninahitra ity hetsika ity ny Governoran’ny Faritra Anôsy, Rtoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary, notronin’ny Solombavam-bahoaka voafidy ao Taolagnaro, Atoa Chabani NOURDINE, ny Ben’ny Tanàna lefitra Mahatalaky, ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, anisan’izany ny Groupement Langoustier de Madagascar GLM izay mitàna andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny sehatry jono oratsimba ato amin’ny faritra.
#MPEB #DRPEB_Anôsy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *