Tamin’ny 24 Aprily 2025 no tontosa ny atrikasa momba ny fandalinana ny mety hisian’ny fiantohana amin’ny fiovan’ny toetrandro na « l’étude de faisabilité d’une assurance climatique » natao tao amin’ny biraon’ny #WWF Toliara, izay notarihin’ny mpanamahay.
Io hetsika io dia mikendry ny hametraka rafitra fiantohana amin’ny fiovan’ny toetrandro ho an’ireo fikambanan’ny mpanjono miisa 02 ao amin’ny Tahirin-Javaboarin’i Tsimanampesotse sy Nosy Ve Androka (Besambay – Beheloke, ary Befasy – Anakao, Faritra Atsimo-Andrefana).
Ny tanjona dia ny hanamafy ny fanatsarana sy faharetan’ny fitantanana ny rojom-pifandraisan’ny jono sy ny fambolena eo anivon’ireo mpanjono sy ireo mpifindra monina eny amoron-tsiraka noho ny fiovan’ny toetrandro. Ny fomba fanao tsara dia hotehirizina sy haparitaka eo an-toerana, eo amin’ny sehatra nasionaly, ary manerana ny faritra Atsimo-Andrefan’ny Ranomasimbe Indianina na ny faritra SWIO.
Io fandalinana io dia anisan’ny tetikasa fampandrosoana ny fanombanana ny tontolo iainana sy sosialy ary ny fitaovana fiarovana na « Development of an Environmental and Social Assessment and Safeguard Instruments » ESA, izay hikasika ny Faritra Diana ao amin’ny Helodranon’Ambaro, sy ny Faritra Menabe ao Manambolo syTsiribihina.
Dingana lehibe amin’ny fandalinana ny mety ho fahombiazana ny tetikasa, ny fiaraha-miasa sy fanamarinana ny maodelin’ny fiantohana, ary ny fandrafetana drafi-piasana.
Nandritra ny atrikasa nifampizarana dia nisy ny fanadihadiana momba ny loza ateraky ny toetrandro (rivodoza, haintany, onja mahery) mba hahatakarana tsara ny fiantraikany amin’ny vondrom-piarahamonina. Tonga nanatrika sy nandray anjara ny avy ao amin’ny #DID, #DRPEB_Atsimo_Andrefana, #CRS, WWF, #BNGRC, #DRTM ary ny #DREDD, ny Faritra Atsimo Andrefana.