Tontosa ny faha 09 mai 2025 teo antampon-tanànan’ny Antsiranana I, tao amin’ny efitrano malalaky ny Fitaleavamparitry ny Filaminambahoaka DIANA ny fampihofanana an’ireo mivondrona anatin’ny « Fikambanan’ny vadin’ny polisy sy polisy vehivavy »na FIVAPOVA izay tarihin-dRtoa Hoby RANDEFIMAMPIANINA , mikasika
ny fiompiana trondro, izay manomboka amin’ny fanamboarana dobo sy momba ny fiompiana trondro anaty dobo na ivelan’ny tany, ary koa ny fanamboarana sakafon- trondro.
Miisa 36 ireo izay nisitraka izao fiofanana izao ary nanome voninahitra izao fihofanana izao Commissaire Principal de Police RABEARIVONY Joël Izay Talemparitry ny Filaminambahoaka ao amin’ny Faritra DIANA sy Ramatoa vadiny, izay filohamboninahitry ny FIVAPOVA DIANA, tao koa ireo lehiben’ny sampan-draharaha ato anaty ny polisim- pirenena.
Santatra ambavarano ihany izy ity, fa Mbola misy koa ny andiany faharoa, dia ny fidinana ifotony hanaovana fampiharana amin’ireo toerana efa misy fiompiana trondro, mba hipàka tsara ny fiofanana izay vao norantovana androany.
Izao no natao, mba ho fanatrarana ny vina napetraky ny fitondram-panjakàna, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo, amin’ny alalan’ny fiompiana trondro andranomamy.