Miha-mitombo hatrany ny olona resy lahatra amin’ny fiompiana trondro ao amin’ny Faritra IHOROMBE, isan’izany ny Fikambanana SOATATA(SOa gne TAnora Tea Asa) ao Ankatsaky, FKT Bemahabo, CR Sahambano, Distrikan’Ihosy.Taorian’ny fiofanana nomen’ny DRPEB Ihorombe sy ny ekipan’ny DA ny volana Avrily lasa teo dia tapa-kevitra ireo mpikambana fa fa hiditra amin’ny sehatra fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary.
Ho fanamafisana ireo toromarika ara-teknika nandritra ny fiofanana mba hahafahan’izy ireo miroso avy hatrany amin’izany seha-pihariana izan dia nidina ifotony tany an-toerana ny DRPEB sy ny CSRPA Ihorombe ny 08 Mai 2025.
Marihina fa misy rano mandavan-taona vokatry ny fisian’ny « chute d’eau » avy any amin’ny alan’i Analamanara ity toerana, izay manondraka tanimbary sahabo ho 20Ha ary ireo Fikambanana SOATATA no mitrandraka izany.