Tafaverina soa aman-tsara tao an-tseranan-tsambon’ny Mahajanga ny faha 08 mey 2025 teo ny sambo « Telonify », sambo malagasy mpanao fisafoana ny jono eo anivon’ny CSP na ny « Centre de Surveillance des Pêches » izay rantsa-mangaika eto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) izay miandraikitra ny asa fanaraha-maso sy fitsirihina ny jono eto anivon’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.
Naharitra 14 andro izany fitsirihina izany ary notanterahina tany amin’ny fari-dranomasin’ny firenena niisa telo (3) dia i Kaomoro, Tanzania ary i Madagasikara.
Nandray anjara mavitrika tamin’ izany ireo « inspecteurs des pêches » avy amin’ireo firenena telo ary izao iraka izao dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa ny Vaomiera ny ranomasimbe Indianina na COI antsoina hoe « ECOFISH » izay manohana ny « Plan Régional de Surveillance des Pêches » na ny Drafitra Rejionaly misahana ny fanaraha-maso ny Jono izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina.
Ny Famatsiam-bola ho an’i Kaomoro no nampiasaina nanetsehana ny sambo Telonify nandritra izao iraka fitsirihina izao araky ny fandaminana izay efa voapetraka eo anivon’ny PRSP.
Amin’ny ankapobeny dia tsy nahitana sambo mpanjono an-tsokosoko intsony ny fari-dranomasina izay nanaovana ny asa fitsirihina nandritra izao iraka izao raha toa ka sambo niisa efatra (4) no tratra nanao asa fanjonoana tsy ara-dalàna sy antsokosoko no tratra ary nandraisana fanapahan-kevitra nandritra ny fitsirihina izay notontosaina ny taona 2024.
#MPEB# COI #ECOFISH #CSP #Telonify #PRSP #63ème_mission_PRSP #Ady_amin_ny_Jono_Tsy_ara_dalàna_tsy voafanambara_tsy voafehin_dalàna #Pêche_INN