Notanterahina androany faha 13 Mey 2025 teto Ambanja ny atrikasa fanaon’ireo komity marolafy izay ahitana ireo solontena avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) ny solontenan’ny Faritra Diana ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy ny solontenan’ny mpanjono, ary ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Ity atrikasa ity dia natao hanombanana ny asa vita nandritry ny taona 2024 ary koa hankatoavana ny vinan’asa ho tanterahina amin’ity taona 2025 ity.
Tonga nanokatra ity atrikasa ity teto an-toerana A/toa RAZAFIMANDIMBY Jean Chrisostophe, Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Famokarana Anaty Rano eto anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Arak’izany ity fotoana ity dia hifantoka amin’ny fandinihana sy ny fiadian-kevitra momba ny voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitra ifanaovan’ny ministera sy ny orinasa REFRIGEPECHE OUEST izay orinasa mpanjono manana fahazoan-dalana hitrandraka makamba ao amin’ny fari-panjonoana A (Zone de Pêche A).
Anisan’ny zava-dehibe hapetraka ny tamberin’andraikitra omena ireo mpanjono madinika, indrindra ireo mivondrona anaty fikambanana ka isan’izany :
Fanatsarana ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fambolena zanaka honko sy ny famoronana ary fampitaovana ireo faritra arovana an-dranomasina (Aire Marine Protégée – AMP).
Fanomezana tohana ara-pitaovana toy ny kojakoja enti-manjono, fanofanana ny mpanjono hampiasa fomba fanjonoana vaovao (formation palangre) ary koa fanohanana ny vadin’ny mpanjono mikasika ny fiompiana trondro sy gana.
Ny tanjona dia ny hiantohana fa misy fiantraikany mivantana eo amin’ny mpanjono madinika eny ifotony ny vokatry ny fitrandrahana ataon’ireo mpanjono indostrialy. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo hetsika fampiroboroboana ny fari-piainan’ny mpanjono madinika, toy ny fampitomboana ny vola miditra ho azy ireo sy ny fampihenana ny fitrandrahana tafahoatra ny vokatra makamba, mba hiantohana ny faharetan’ny harena an-dranomasina.