Tontosa teto Ampandrianomby, Antananarivo anio faha 15 Mey 2025 ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Direction Générale des Douanes de Chines sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB). Ity fiaraha miasa ity dia nanamafy ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny roa tonta, indrindra amin’ny sehatry ny fanondranana trondro an-dranomasina « haingo » (poissons marins ornementaux) avy eto Madagasikara makany Sina.
Nisolo tena ny Repoblika Entimbahoakan’i Sina Atoa M. WANG Lingjun Vice-ministre de l’Administration Génerale des Douanes de Chine (GACC), ary Atoa Tilahy Desiré, Sekretera Jeneralin’ny MPEB. Araka ny fifanarahana, ireo trondro voalaza etsy ambony izay aondrana dia tsy maintsy mandalo fitsirihana ara-pahasalamana, miaraka amin’ny fihibohana fara fahakeliny 48 ora, izay araha-mason’ny Autorité Sanitaire Halieutique na #ASH mialohan’ny handefasana azy ireo. Ireo fepetra ireo dia napetraka mba hiantohana ny fanarahan’ny vokatra malagasy ny fenitra iraisam-pirenena.
Maharitra dimy taona eo ny fifanarahana ary azo havaozina araka ny filàn’ny roa tonta. Anisan’ny vokatra hazan-drano aondrana any Sina ny dingadingana efa maina, ny horita, ny makamba , ny oratsimba , ny amalona ary ny trondro isan-karazany . Raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2024 teo ohatra dia nahatratra 3.900 Taonina ny totalin’ny vokatra hazan-drano naondranan’i Madagasikara makany Sina, izay maneho ny maha-zava-dehibe ny sehatry ny jono ho an’ny toekarena malagasy.
Ity fiaraha-miasa ity dia tsy vitan’ny manamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Sina, fa mandrisika ihany koa ho an’ireo mpamokatra sy mpanjono Malagasy hanatsara ny vokatra omeny ary hanitarana ny fidirana amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *