Anisan’ireo nahazo tohana avy amin’ny Orinasa mpanjono makamba Refrigepeche Ouest miasa amin’ny fari-panjonoana A ny fikambanan’ny mpanjono ao Djangoa. Ho fanjohiana ny mahakasika izany dia nidina tany an-toerana ireo komity marolafy androany 14 mai 2025 izay notarihin’Andriamato RAZAFIMANDIMBY Jean Chrysostophe tale Jeneralin’ny Jono sy ny Famokarana anaty rano.
Hita nandritra izany fa nipaka any amin’ireo mpanjono tokoa ny tohana nomen’ny Orinasa toy fanomezana « glacière » miisa 4, harato 10 isa, »palangre « 1. Ankoatr’izay dia Mpanjono sy vadina Mpanjono miisa 60 no nofanina tamin’ny fiompiana trondro sy gana,ary nomena teknikam-panjonoana vaovao.
Notanterahina tamin’izany ihany koa ny fitsidihana ny « complexe de pêche » vao naorin’ny Minisitera. Mihodina sy miasa tsara ny foto-drafitrasana nohon’ny fahaizan’ireo mpanjono ao an-toerana mitantana azy.Tsy adino moa ny namatsy zanaka gana hoan’ ireo vadin’ny mpanjono efa voaofana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *