Nidina ifotony ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny faha 20 May 2025, nanentana ireo mpanao kinanga miisa 45 mba hanamboatra « carte mareyeur », noho ny fisiany fisavana hataon’ireo mpanaramaso ny jono. Nomena fe-potoana izy ireo hatramin’ny farany volana May ny hanara-dalàna momba ny fananana karatra. Nampiana fanazavana ny amin’ireo taratasy ilaina sy ny vola aloa arakaraky ny hazan-drano ho avarotra.
Nitaraina ireo mpanao kinanga fa misy olona misoloky tonga maka vola eo am-pivarotana fa hoe mpanamboatra karatra dia tsy miverina intsony. Misy ihiany koa ireo mpisoloky misava karatra Mareyeur, koa rehefa mahazo fia na vola kely dia mangina.
Nisy ny vahaolana raisina arak’ozany toy ny tsy maintsy hanaterana any amin’ny birao ny DRPEB ny antota-taratasy ilaina sy ny vola mifanaraka amin’izany, ny fampahafantarana fa ireo mpanaramaso ny jono ihiany no afaka misava azy ireo ary tsy maintsy manao ny akanjo amantarana sy badge maha mpanaramaso azy manokana.