Nigadona androany maraina 22 May 2025 tao Nosy Be, Fascene, Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta maromaro, tonga hanatrika ny filan-kevitriny ny Ministra izay hotanterahana any an-toerana hiarahana amin’Atoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, sy Atoa Lehiben’ny Governemanta, NTSAY Christian.
Tonga nitsena sy nanome voninahitra azy ireo mpiara-miasa any an-toerana ka nitohy tamin’ny fifanan-kalozan-kevitra tamin’ireo mpiara-miasa any an-toerana ny fotoana.