Taorinanan’ny fampiofanana nomena ireo tantsaha liana amin’ny fiompiana dia niroso amin’ny fanjohiana ny fiompiana ataon’izy ireo indray ny ekipan’ny DRPEB Bongolava.
Arak’izany dia ny 17 sy 19 Mai lasa teo ny no nanatanterahina izany tao amin’ny kaominina Bevato sy kaominina tsiroanomandidy fihaonana.
Natao izany ho fitarafana ny fampiharana eny ankianja ny fampiofanana nomena ireo mpiompy sy ho fanamafisana ny fampanarahana ara-tekinika ny toeram-piompina sy ny fomba fiompiana mba entina hanatsarana bebekokoa ny vokatra tokony ho azo. Tsapa ary mahavelombolo ny fahavitrihan’ireo mpikambana amin’ny finiavana amin’ny fampiroboroboana ny fihariana anaty rano any amin’ny Faritra Bongolava.