Taorian’ny fampiofanana dia Nisy avy hatrany ny Fidinana ifotony izay Nampiharana avy hatrany ny lesona azo tao anatin’ny fampiofanana.
Toy ity eto amin’ny matsabory madio lehibe ity izay mirefy 4ha eo no eo .
Nojerena ny ahafahana mampiroboro ny fiompiana trondro ao aminy satria anisan’ny manampy betsaka amin’ny foto-piveloman’ireo mponina anatin’ity Fokontany Anandrobato ity matsabory lehibe ity. Ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana no afaka atao eto amin’ity matsabory ity araky ny nambaran’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert nandritra ny Fidinana teny an-toerana. Mila fahaiza-mitantana avokoa anefa izany rehetra izany mba hisian’ny fiakaran’ny vokatra sy hampaharitra izany.
Ny Ministera dia Vonona hatrany amin’ny fanomezana ireo tohana ara-teknika rehetra ahafahantsika mampiroboro ity sehampihariana ity.