Tanteraka ny faha 23 May 2025 teto anivon’ny CDA Mahajanga ny fiofanana mahakasika ny fambolena « Spiruline », nahitana mpandray anjara miisa 28 mianadahy mianaka.
Fiofanana narahana fampiharana no nisy tamin’ity andiany ity mba nahafahan’ireo mpandray anjara nahita hoe inona tokoa moa izany « Spiruline » izany tamin’ny alalan’ny fijerena izany tamin’ny « Microscope »….
Nisy ihany koa ny fitsidihan’ireto mpandray anjara ireto ny toeram-pambolena lomotra tsy hita maso na « Algue microscopique » (sakafom-biby anaty rano) notanterahana teo anivon’ny CDA Mahajanga hatrany.
Nandritra ity fiofanana ity dia nampahafantarina ny mpandray anjara ihany koa izay tombony lehibe ho azy ireo, ireo karazan-trondro andalam-pikarohana imasoan’ny CDA Mahajanga ao anatin’ny fanantanterahana indrindra ny vinan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga toy ny : 𝑷𝒂𝒓𝒆𝒕𝒓𝒐𝒑𝒍𝒖𝒔 𝒔𝒑 (Damba), 𝑳𝒊𝒛𝒂 𝒎𝒂𝒄𝒓𝒐𝒍𝒆𝒑𝒊𝒔 (Zompona), 𝑯𝒆𝒕𝒆𝒓𝒐𝒕𝒊𝒔 𝒔𝒑 (Vangolopaka), 𝑶𝒔𝒑𝒉𝒓𝒐𝒏𝒆𝒎𝒖𝒔 𝒈𝒐𝒓𝒂𝒎𝒚 (Laobazaha), 𝑷𝒂𝒓𝒂𝒕𝒊𝒍𝒂𝒑𝒊𝒂 𝒑𝒐𝒍𝒍𝒆𝒏𝒊 (Marakely),…

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *