Tontosaina nandritra ny telo andro ny faha 20, 21 ary 22 May 2025, nifampidinihana teny ifotony momba ny « Aire Marine Protégée » na AMP Atimo Vata’e tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Faux Cap Kaominina Ambanivohitra Anjapaly ao amin’ny Distrikan’i Tsihombe, ary tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Maroalopoty, Kaominina Ambanivohitra Maroalomainty, Kaominina Ambanivohitra Ambazoa, ary Kaominina Ambanivohitra Erada ao amin’ny Distrikan’i Ambovombe, Faritra Androy.
Natao izao fakan-kevitra izao mba hanohizana ny dingana efa natomboka tamin’ny taona 2018 ho fametrahana ny Faritra Arovana Atimo Vata’e. Nandritra izany, nifanakalozan-kevitra ny amin’ny mety ho fiantraikan’ny AMP amin’ny lafiny sosialy sy tontolo iainana, ary koa ny vahaolana natolotry ny mpanjono mba hanatsarana ny vokatra an-dranomasina.
Hita fa tena mafana fo sy vonona tanteraka ny mpanjono amin’ny fametrahana ny AMP Atimo Vata’e.