Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa fametrahana ny ZEP na Zone d’emergence Piscicole Teto amin’ny fkt Ambolomoty A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert Anio 25 Mai 2025 izay nentiny nanomezana Toro-marika entina hanatsarana ny foto-drafitrasa. Raha ny hita teny an-toerana dia eo am-pamaranana ireo pitsopitsony farany ireo orinasa ankehitriny alohan’ny tena hisokafan’ity toeram-pamokarana zana-trondro ity.
Tsiahivina fa Dobo trondro miisa 10 manana refy 100m toradroa isany no hapetraka ao an-toerana izay entina hamokarana zana-trondro hatramin’ny 5tapitrisa , ahitana toeram-pikotrehana , toeram-piofanana ho an’ireo liana te hisehatra amin’izany ,ny « laboratoire  » sns…
Marihina fa ny rano avy ao amin’ny reniranon’ny Ampijoroha avy any amin’ny tohadranon’ny Tsiasesy kosa no hosaritina amin’ny fanondrahana ireo Dobo miisa 10.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *