Noho ny fiarahamiasa tamin’ny #MNP_Nosy_Tanikely sy Fédération de Pêcheurs ary CirPEB Nosy Be, dia tontosa ny faha ny 27 May 2025 ny fametrahana « Disposition de Concentration des Poissons » na DCP miiisa 06, ao amin’ny TGRH Ambalamanga, izay Faritra tantaniny Fikambanana Mpanjono ao Hell-ville Nosy Be.
Tonga nanontrona ny fametrahana izany ny solontena avy ao amin’ny #CirPEB_Nosy_Be, ny avy ao amin’ny Fikambanan’ny mpanjono ny avy ao amin’ny MNP Nosy Tanikely.