Miezaka mampivelatra sy mampiroboro ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny eto anivon’ny Ministera ka izany indrindra no hitetezana ireo kaominina sy Distrika manerana an’i Madagasikara.
Izany Dia ahafahana mampiakatra hatrany ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy trondro .
Ho an’ny Distrikan’ny ISANDRA dia ahitana rano betsaka Ary irony pirina be irony no anisan’ny mampalaza azy, ho ezahina arak’izany ny hanaparitraka izany manerana an’i Madagasikara
Hisy ny fitsidihana ny Dobo fiompiana izany eto an-toerana mandritra ity fitsidihana ity eo ihany koa ny fanomezana Toro-marika ho an’ireo izay efa miompy ahafahan’izy ireo miditra amin’ny matihanina kokoa .