Tontosa ny faha 04 Jona 2025 teo tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ny fidinana ifotony notanterahan’ny ekipan’ny STAC avy any amin’ny foibe nandritra ity herinandro ity. Io hetsika io dia natao hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy hanatsarana ny fitantanana mangarahara eo anivon’ny Faritra.
Nandritra ity fidinana ifotony ity dia nifantoka tamin’ny fijerena ireo endrika mety hisian’ny kolikoly eo anivon’ireo mpiara-miasa ka anisan’izany ny fomba fiasa tsy ara-dalàna, ny fanararaotana amin’ny fitantanana ny tetibola ary ny tsy fahatomombanana amin’ny fanapahan-kevitra.
Nandritra io fivoriana io ihany koa no nanasongadinana manokana ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny rafitra miady amin’ny kolikoly toy ny fananganana komity fakan-kevitra matanjaka sy mahaleo tena.