Mitohy hatrany ny ezaka sy fampandrosoana ho an’ny sehatra fiompiana trondro ato anatinΒ Β»ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo ka notolorana zana-trondro ireo mpiompy trondro nahazo fiofanana ara-teknika ka ny faha 7 Jona 2025 teo no nanolorana ny zana-trondro tilapia miisa 10 000 teto amin’ny Fokontany Ambodihasina, Kaominina Ambanivohitra Ambatoharanana, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ireo mpiompy trondro izay nahazo fiofanana ara-teknika
Tonga nanatrika izany ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toe-karena Manga Analanjirofo sy Mpandrindram-paritra ny tsy Fifanjarian-tsakafo Analanjirofo ary ny Ben’ny Tanana Lefitry ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoahanana.Tao anatin’ny tetik’asa HAFA VELONTEGNA izay vatsian’i UNICEF vola no nazahoana nanantontosa izany.
Ankoatra ny fanomezana zana-trondro, dia nisy ihany koa ny fanolorana fahazoan-dΓ lana hiompiana trondro ho an’ny mpiompy miisa 10 izay nahafeno ny fepetra sy nahavita ny fiofanana ilaina. Ireo fahazoan-dΓ lana ireo dia manan-danja mba hanamafisana ny asan’ny mpiompy sy hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiΓ©e. Les champs obligatoires sont indiquΓ©s avec *