Misokatra androany 09 Jona 2025 ao Nice, Frantsa ny Fihaonambe faha-3 an’ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasina (UNOC 3), hetsika manan-danja ho an’ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny ranomasina maneran-tany
Ny delegasiona Malagasy dia tarihin’Atoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblika, miaraka amin’ny Minisitra misahana ny Jono sy Toekarena Manga A/toa MAHATANTE PAUBERT sy ny Ministry ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana Lovain-jafy A/toa Max Fontaine Andonirina .
Amin’ny maha-nosy azy dia miankina betsaka amin’ny ranomasina sy ny vokatra entiny i Madagasikara, satria mahatratra 5 603 Km ny morontsiraka manodidina azy ary tena mbola manana harena anaty rano ihany koa. Noho izany, zava-dehibe ny fiarovana ireo harena an-dranomasina sy ny fanamafisana ny toekarena manga, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny taranaka ho avy.
Mihoatra ny 3 miliara ny olona maneran-tany mivelona amin’ny vokatra an-dranomasina.
Mihoatra ny 600 tapitrisa no miankina amin’io sehatra io ho loharanon’asa sy fivelomana.
Trondro 1 amin’ny 5 dia avy amin’ny jono tsy manaradalana, tsy voafanambara ary tsy voafehin’ny lalàna (peche INN).
20 tapitrisa taonina amin’ny plastika no manimba ny ranomasina isan-taona.
Ny fiarovana ny ranomasina dia tsy haitraitra, fa adidy iombonana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *