Fahombiazana tsara indray no azo ambara ny iraka regionaly (Mission Régionale) faha-65 notanterahan’ny sambo mpanara-maso (Patrouilleur) ny jono Atsantsa ny faha 28 May hatramin’ny 08 Jona 2025 tamin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara sy Kaomoro (Zones exclusives).
Sambo mpanjono iray vahiny « Srilankais » mitondra ny anarana « Ruth Baba 6 », nahitana tantsambo miisa 08 mizaka ny zom-pirenena « Srilankais », indray no tratra nangalatra nanjono an-tsokosoko, nandika lalàna, tao avaratr’i « Cap St André » (Tanjona Vilamatsa), Faritra Besalampy.
Tsy fanarahan-dalàna maro moa no hanenjehana azy ireo anisan’izany ny tsy fananan’izy ireo fahazoan-dalana manjono aty amin’ny Fari-dranomasin’i Madagasikara sy ny tsy fahafan’ny sambo manjono « au large » ary ny fihazan’izy ireo biby arovana tsy avelan’ny làlana jonoina dia ny Atsantsa (Requin) izany. Atsantsa milanja 16Taonina mahery (Atsantsa lena milanja 12Taonina mahery miampy atsantsa maina sy vombony na aileron) no tratra tao anatin’ity sambo ity nandritra ny fisavana natao ka avy hatrany dia nogiazana ary nentina namonjy an’i Mahajanga ny sambo sy ireo tatsambo tao aminy.
Marihana fa izao dia tafiditra ao anatin’ny ezaka tanterahan’ny CSP (Centre de Surveillance de Pêche) na ny ivon-toerana mpanara-maso ny jono eto Madagasikara hamongorana sy hiadina amin’ny jono tsy manara-dalana. Raha tsiahivina dia nahitana sivily avy ao amin’ny CSP toy ireo « inspecteur de pêche » avy eto Madagasikara sy Kaomoro, zandary ary miaramila avy amin’ny Tafika an-dranomasina nanamory ity sambo mpanara-maso ny jono Atsantsa ity nandritra ity iraka ity.
Marihana fa ny COI (Commission de l’Océan Indien) tamin’ny alalan’ny PRSP (Plan Régional de Surveillance des Pêches) sy ny Ecofish, vatsian’ny Vondrona Eoropeanina (UE) no nahafana nanatanteraka izao iraka regionaly faha-65 notanterahan’ny sambo mpanara-maso ny jono Atsantsa izao. Efa nisy moa ny sambo « Srilankais » miisa roa tratra toy izao ihany koa tamin’ny iraka faha 62 ny taona 2024 ary sambo Kenyana.
Nisy noho izany ny fandalovan’ny solotena manokan’ny COI tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fahatongavan’ny sambo Atsantsa natrehan’ireo olona ambony ao Mahajanga notarihan’Atoa Governora, solotenan’ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga, sivily sy Miaramila ka nanomezana taratasy fankasitrahana (Certificat de reconnaissance) ireo ekipa rehetra nanatanteraka ny iraka.